Asan'ny Apostoly 18:8
Ary Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin’ ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 18
Cross References
Genesis 17:27ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, dia ny ompikely mbamin’ izay novidim-bola tamin’ ny hafa firenena, dia samy niara-noforana taminy avokoa.
Joshua 24:15Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an’ i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ ny razanareo tany an-dafin’ ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin’ ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’ i Jehovah izahay.
Mark 5:22Dia avy ny anankiray tamin’ ny mpanapaka ny synagoga, Jairo no anarany; ary rehefa nahita an’ i Jesosy izy, dia niankohoka teo amin’ ny tongony
Mark 16:15Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin’ izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ ny olombelona rehetra.
Acts 8:12Ary rehefa nino an’ i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny anaran’ i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.
Acts 10:2ary mpivavaka tsara sady natahotra an’ Andriamanitra izy mbamin’ ny ankohonany rehetra ka nanao fiantrana be tanin’ ny olona sady nivavaka tamin’ Andriamanitra mandrakariva.