Epistily nosoratan'i Jakoba 5:4
Indro, ny karaman’ ny mpiasa nijinja ny taninareo, izay hazoninareo, dia mitaraina; ary ny fitarainan’ ny mpijinja dia efa tafiditra amin’ ny sofin’ ny Tompon’ ny maro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily nosoratan'i Jakoba 5
Cross References
Exodus 2:23Ary tao anatin’ izany andro maro izany dia maty ny mpanjakan’ i Egypta; ary ny Zanak’ Isiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany amin’ Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany.
Exodus 22:22Fa raha mampahory azy na amin’ inona na amin’ inona ianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho,
Leviticus 19:13Aza manao an-keriny amin’ ny zavatry ny namanao na mampahory azy; ny karaman’ izay nokaramainao aoka tsy hitoetra ao aminao miloaka alina.
Job 7:2Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman’ ny asany,
Job 31:38Raha tàhiny mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako;
Psalms 9:12Mankalazà an’ i Jehovah, Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin’ ny firenena ny asany.