Bokin'i Jeremia 42:21
Ary efa nambarako taminareo androany; nefa tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ny amin’ izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 42
Cross References
Deuteronomy 29:19Ary Jehovah dia tsy hety hamela ny helony, fa hanetroka amin’ izany lehilahy izany ny fahatezeran’ i Jehovah sy ny fahasaro-piarony, ary hitoetra aminy ny fanozonana rehetra izay voasoratra amin’ ity boky ity, ka hovonoin’ i Jehovah tsy ho eo ambanin’ ny lanitra ny anarany.
Deuteronomy 30:19Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao,
Jeremiah 7:24Kanjo tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, fa nandeha tamin’ ny fisainany sy ny ditry ny fo ratsiny ihany izy dia niamboho, fa tsy mba nanatrika.
Ezekiel 2:7Ary holazainao aminy ihany ny amiko, na hihaino izy na tsy hihaino, fa tena naditra izy.
Ezekiel 33:31Dia mankao aminao tahaka ny fihavin’ ny olona izy ka mipetraka eo anatrehanao toa oloko ary mahare ny teninao, nefa tsy mety mankatò azy; fa, indro, teny mamy no lazain’ ny vavany, nefa ny fony dia lasa manaraka ny filan-karena.
Zechariah 7:11Nefa tsy nety nihaino ireny, fa nampihemotra ny sorony, ary nataony lalodalovana ny sofiny; mba tsy handre.