Bokin'i Jeremia 46:21
Na dia ny olona karamaina ao aminy aza, izay tahaka ny ombilahy kely mifahy, ireny koa dia mihodìna ka samy mandositra avokoa; Tsy mahajanona izy, fa efa tonga aminy ny andro hahitany loza, dia ny andro hamaliana azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 46
Cross References
Deuteronomy 32:15Nihanatavy Jesorona ka namely daka, Efa matavy ianao sady vory nofo no vaventibe, Dia nahafoy an’ Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy.
2 Kings 7:6Fa Jehovah efa nampandre ny miaramilan’ ny Syriana ny fikodiadian-kalesy sy ny fandehan’ ny soavaly, dia ny firodondrodon’ ny miaramila be; ary niresaka hoe izy: Injao, fa ny mpanjakan’ ny Isiraely efa nanamby ny mpanjakan’ ny Hetita sy ny mpanjakan’ ny Egyptiana hiady amintsika.
Proverbs 15:17Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra Toy izay omby mifahy asian-dromoromo.
Isaiah 34:7Ary ny ombimanga miaraka aripaka aminy mbamin’ ny vantotr’ omby sy ny ombilahy, ka dia vonton-drà ny taniny, ary mihosi-menaka ny vovo-taniny.
Jeremiah 46:5Indrisy ny ahitako azy! raiki-tahotra sy miamboho izy, ary ny maheriny aza dia efa ripaka, sady miezaka mandositra izy ka tsy miherika akory; Fa misy fampangorohoroana manodidina, hoy Jehovah.
Jeremiah 46:15Nahoana no voapaoka ny maherinao? Tsy nahafahatra izy, satria Jehovah no nandroaka azy.