Epistily ho an'ny Romana 13:4
fa mpanompon’ Andriamanitra izy hahatsara anao. Fa raha ratsy kosa no nataonao, dia matahora’ fa tsy entiny foana tsy akory ny sabatra; fa mpanompon’ Andriamanitra izy, dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin’ izay manao ratsy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 13
Cross References
Joshua 20:5Ary raha manenjika azy ny mpamaly rà, dia tsy hanolotra ilay nahafaty olona ho eo an-tànany izy, satria nahafaty tsy nahy ny namany, fa tsy dia nankahala azy teo aloha.
1 Kings 10:9Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay tia anao ka nametraka anao amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely; fa noho ny fitiavan’ i Jehovah, izay itiavany ny Isiraely mandrakizay, no nanaovany anao ho mpanjaka mba hanao fitsarana sy fahamarinana.
Psalms 82:2Mandra-pahoviana no hitsarànareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy? [Sela.]
Proverbs 20:2Ny fampitahoran’ ny mpanjaka dia toy ny fieron’ ny liona tanora; Izay mampahatezitra azy dia mankahà-doza hihatra amin’ ny ainy,
Proverbs 20:26Ny mpanjaka hendry mikororoka manaisotra ny ratsy fanahy Sady mitarika ny kodia fivelezana eo amboniny.
Proverbs 31:8Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan’ ny kamboty ny rariny;