Bokin'ny Eksodosy 27:21
Ao anatin’ ny trano lay fihaonana, dia eo ivelan’ ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, no handaharan’ i Arona sy ny zanany azy ho eo anatrehan’ i Jehovah hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny maraina; ho lalàna mandrakizay amin’ ny Zanak’ Isiraely izany hatramin’ ny taranany fara mandimby,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 27
Cross References
Genesis 1:5Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany.
Exodus 12:14Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’ i Jehovah; hatramin’ ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakizay.
Exodus 25:16Ary ataovy ao anatin’ ny fiara ny Vavolombelona izay homeko anao.
Exodus 26:31Ary manaova efitra lamba manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
Exodus 29:9Ary fehezo amin’ ny fehin-kibo izy, dia Arona sy ny zanany, ary fehezo aminy ny satroka boribory; ary ho azy ny fisoronana ho lalàna mandrakizay. Dia toy izany no hanokananao an’ i Arona sy ny zanany.
Exodus 29:42Ho fanatitra dorana mandrakariva izany hatramin’ ny taranakareo fara mandimby, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana eo anatrehan’ i Jehovah, dia ao amin’ izay hihaonako aminareo hiteny aminao